<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>E.F. Rimbault</author>
<title>Finaritra ny masoko FFPM538</title>
<lyrics>[V1]
 Finaritra ny masoko
 Mijery ny Mpanjakako ;
 Ny vavako hisokatra
 Hidera ny Mpanavotro ;
 Andro soa, andro soa,
 Fa Jeso no Mpanavotra ;
 He ! ravo ny fanahiko
 Mihira ao anatiko,
 Andro soa, andro soa,
 Fa Jeso no Mpanavotra.

[V2]
 Ho tiako ny Tompoko
 Ambara-pahafatiko,
 Fa Izy no Mpanafaka
 Manaisotra ny heloko ;
 Andro soa, ..sns.

[V3]
 Faingàna re, ry havako !
 Hatòny e ! ny Tomponao ;
 Andeha mba hiaraka
 Hihira sy hivavaka ;
 Andro soa, ..sns.</lyrics>
<hymn_number>538</hymn_number>
</song>